-
2 Samoela 3:26, 27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Dia niala teo amin’i Davida i Joaba, ka naniraka olona hanenjika an’i Abnera. Teo amin’ny lavaka fanangonan-dranon’i Siraha i Abnera no nentin’izy ireo niverina. Tsy fantatr’i Davida anefa izany. 27 Rehefa tafaverina tao Hebrona+ i Abnera, dia nentin’i Joaba nihataka kely nankao am-bavahady mba hiresahany mitokana. Rehefa tao anefa izy ireo, dia notsatohan’i Joaba tamin’ny sabatra ny kibony ka maty izy.+ Nanao an’izany izy satria novonoin’i Abnera i* Asahela+ rahalahiny.
-