-
1 Samoela 16:6-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Dia tonga izy ireo. Rehefa nahita an’i Eliaba+ i Samoela, dia hoy izy: “Tena io mijoro eo anatrehan’i Jehovah io ilay voahosotra notendreny.” 7 Hoy anefa i Jehovah tamin’i Samoela: “Aza mifantoka amin’ny bika aman’endriny sy ny halavany,+ fa tsy izy ilay nofidiko. Fa tsy toy ny fijerin’ny olona ny fijerin’Andriamanitra, satria ny olona mijery izay hitan’ny maso,* fa i Jehovah kosa mijery ny fo.”+ 8 Dia nantsoin’i Jese i Abinadaba,+ ka nasainy nankeo anoloan’i Samoela, nefa hoy i Samoela: “Tsy nifidy an’io koa i Jehovah.” 9 Nasehon’i Jese koa i Sama,+ nefa hoy i Samoela: “Tsy nifidy an’io koa i Jehovah.” 10 Nasain’i Jese nankeo anoloan’i Samoela àry ny fito tamin’ny zanany lahy, nefa nilaza tamin’i Jese i Samoela hoe: “Tsy nisy nofidin’i Jehovah ireo.”
-