-
2 Tantara 5:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 dia efa nanao akanjo vita tamin’ny lamba tena tsara daholo ny Levita mpihira+ notarihin’i Asafa+ sy Hemana+ sy Jedotona+ sy ny zanak’izy ireo ary ny rahalahiny. Nitondra kipantsona sy zavamaneno fitendry ary harpa koa ireo Levita ireo. Nitsangana teo atsinanan’ny alitara izy ireo, niaraka tamin’ny mpisorona 120 izay nitsoka trompetra.+ 13 Raha vao niara-nidera sy nisaotra an’i Jehovah ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, ka naneno ny trompetra sy ny kipantsona ary ny zavamaneno hafa, dia feno rahona ilay trano,+ izany hoe ny tranon’i Jehovah. Nidera an’i Jehovah izy ireo tamin’izay, “fa tsara izy, ary be fitiavana sady tsy mivadika mandrakizay.”+
-