105 Misaora an’i Jehovah,+ ary miantsoa ny anarany.
Ampahafantaro an’ireo firenena ny zavatra nataony!+
2 Mihirà ho azy, manaova hira fiderana ho azy,
Saintsaino ny zavatra mahatalanjona rehetra nataony.+
3 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina.+
Ary enga anie ho faly ny fon’izay mitady an’i Jehovah!+
4 Mitadiava an’i Jehovah+ ary miantehera amin’ny heriny.
Mitadiava sitraka aminy foana.
5 Tadidio ny zavatra mahatalanjona nataony,
Sy ny fahagagana vitany ary ny didim-pitsarana nolazainy,+
6 Ry taranak’i Abrahama mpanompony,+
Ry taranak’i Jakoba, dia ianareo olom-boafidiny!+