15 Nifamory indray ny Syrianina+ rehefa hitany hoe resin’ny Israely izy ireo. 16 Naniraka olona haka ny Syrianina tany amin’ny faritry ny Renirano+ àry i Hadadezera.+ Dia tonga tany Helama ny Syrianina, ary i Sobaka lehiben’ny tafik’i Hadadezera no nitarika azy ireo.