-
Genesisy 49:8-12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 “Ary ianao, ry Joda,+ hoderain’ny rahalahinao ianao.+ Ho eo amin’ny hatoky ny fahavalonao ny tananao,+ ary hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.+ 9 Zana-diona ianao, ry Joda.+ Hihinana remby ianao, anaka, dia avy eo handeha.* Namitsaka izy dia nitsotsotra toy ny liona. Hoatran’ny liona izy, ka iza no ho sahy hanaitra azy? 10 Tsy hiala amin’i Joda mihitsy ny tehim-panjakana,+ ary tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehim-pahefana, mandra-pahatongan’i Silo.*+ Dia hankatò an’i Silo ny firenena rehetra.+ 11 Hofatorany eo amin’ny voaloboka ny ampondrany, ary hofatorany eo amin’ny voaloboka tena tsara ny zanak’ampondrany. Hosasany amin’ny divay ny fitafiany, ary hosasany amin’ny ranom-boaloboka* ny akanjony. 12 Mena be mihitsy ny masony satria izy misotro divay, ary fotsy ny nifiny satria izy misotro ronono.
-