-
1 Tantara 16:41, 42Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
41 Niaraka tamin’izy ireo koa i Hemana sy Jedotona+ ary izay sisa tavela tamin’ny lehilahy voafantina sy voatonona anarana mba hisaotra an’i Jehovah,+ satria “be fitiavana sady tsy mivadika mandrakizay izy.”+ 42 Niaraka tamin’izy ireo i Hemana+ sy Jedotona mba hitsoka ny trompetra sy hampaneno ny kipantsona ary hampiasa ny zavamaneno natao hiderana an’ilay* tena Andriamanitra. Teo am-bavahady kosa ny zanakalahin’i Jedotona.+
-
-
2 Tantara 5:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Rehefa nivoaka avy tao amin’ny toerana masina ny mpisorona,—fa efa nanamasina ny tenany ny mpisorona rehetra teo,+ na inona na inona fizarana nisy azy+— 12 dia efa nanao akanjo vita tamin’ny lamba tena tsara daholo ny Levita mpihira+ notarihin’i Asafa+ sy Hemana+ sy Jedotona+ sy ny zanak’izy ireo ary ny rahalahiny. Nitondra kipantsona sy zavamaneno fitendry ary harpa koa ireo Levita ireo. Nitsangana teo atsinanan’ny alitara izy ireo, niaraka tamin’ny mpisorona 120 izay nitsoka trompetra.+
-
-
2 Tantara 35:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Samy teo amin’ny toerany daholo ny mpihira taranak’i Asafa,+ araka ny didin’i Davida+ sy Asafa+ sy Hemana ary Jedotona+ mpahita fahitana ho an’ny mpanjaka. Ny mpiandry vavahady kosa teny amin’ny vavahady samy hafa.+ Tsy voatery niala teny izy ireo, satria ny Levita rahalahiny no nanomana ny sakafon’ny Paska ho azy.
-