-
2 Mpanjaka 12:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Nomen’izy ireo an’ireo voatendry hiandraikitra an’ilay asa tao an-tranon’i Jehovah ny vola efa voaisa. Izy ireny indray avy eo no nandoa ny karaman’ny mpandrafitra sy ny mpanao trano, izay niasa tao an-tranon’i Jehovah,+ 12 ary ny karaman’ny mpandatsa-biriky sy ny mpipai-bato. Nividy hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba tamin’ny tranon’i Jehovah koa izy ireo, ary nampiasa an’ilay vola mba handoavana ny zavatra hafa rehetra nilaina hanamboarana an’ilay trano.
-