-
2 Mpanjaka 5:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Niverina tany amin’ilay lehilahin’Andriamanitra+ izy sy izay rehetra niaraka taminy,* taorian’izay. Nijoro teo anatrehan’i Elisa izy sady niteny hoe: “Fantatro izao fa tsy misy Andriamanitra na aiza na aiza eto an-tany, afa-tsy eto amin’ny Israely ihany.+ Koa mba raiso re ny fanomezana* avy amin’ny mpanomponao e!”
-
-
Isaia 56:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Izay hafa firenena miandany amin’i Jehovah mba hanompo azy,
Sy mba ho tia ny anaran’i Jehovah,+
Ary mba ho mpanompony,
Izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manazimbazimba azy,
Sady mifikitra mafy amin’ny fifanekena nataoko,
7 Dia hoentiko any amin’ny tendrombohitro masina+ koa,
Ary hampifaliko ao amin’ny trano fivavahana amiko.
Hekeko izay fanatitra dorana manontolo sy sorona ataony eo ambony alitarako.
Fa ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana ho an’ny olona rehetra.”+
-