-
Nomery 28:11-15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 “‘Ireto no hatolotrareo ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah, isaky ny voalohan’ny volana: Vantotr’ombilahy roa, sy ondrilahy iray, ary ondrilahy kely fito tsy misy kilema herintaona avy.+ 12 Ny vantotr’ombilahy tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina tsara toto telo ampahafolon’ny efaha nafangaro menaka, izay atao fanatitra varimbazaha.+ Ilay ondrilahy kosa hampiarahina amin’ny lafarinina tsara toto roa ampahafolon’ny efaha, nafangaro menaka, izay atao fanatitra varimbazaha.+ 13 Ary ny ondrilahy kely tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha, nafangaro menaka, izay atao fanatitra varimbazaha. Hatao fanatitra dorana izany mba ho hanitra mahafinaritra,*+ ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. 14 Ny fanatitra zava-pisotro hampiarahina amin’ireo, dia divay antsasaky ny hina isaky ny ombilahy,+ ary ampahatelon’ny hina no hampiarahina amin’ilay ondrilahy,+ ary ampahefatry ny hina kosa isaky ny ondrilahy kely.+ Izany no fanatitra dorana atolotra isam-bolana, mandritra ny taona. 15 Zanak’osy iray koa no tokony hatolotra ho an’i Jehovah mba ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy.
-