-
2 Tantara 26:11-13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Lasa nanana tafika vonona hiady koa i Ozia. Nandeha niady izy ireo ary notsinjaraina arakaraka ny fizarany. Nanisa sy nanoratra ny anaran’izy ireo+ i Jeiela mpitan-tsoratra+ sy Mahaseia mpiadidy lefitra. Ary i Hanania, izay anisan’ny andriana teo amin’ny fanjakana, no nifehy azy roa lahy ireo. 12 Nisy 2 600 ny lehilahy rehetra lohan’ny fianakaviambe niandraikitra an’ireo miaramila matanjaka ireo. 13 Miaramila 307 500 no teo ambany fifehezan’izy ireo. Tafika mahery ireo miaramila ireo sady vonona hiady sy hanohana ny mpanjaka rehefa misy fahavalo.+
-