-
2 Tantara 35:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Nanome ondrilahy kely sy osilahy kely ho an’ny vahoaka i Josia mba hatao sorona hankalazana ny Paska ho an’izay rehetra tonga teo, ka 30 000 izany raha atambatra. Nanome omby 3 000 koa izy. Avy tamin’ny fananan’ny mpanjaka daholo ireo.+ 8 Nanome fanomezana koa ny andriana mba hatao fanatitra an-tsitrapo ho an’ny vahoaka sy ny mpisorona ary ny Levita. Ireto koa no nomen’i Hilkia+ sy Zakaria ary Jehiela, izay samy mpiandraikitra ny tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra: Ondry aman’osy 2 600 hatao sorona hankalazana ny Paska, ary omby 300. Dia nomeny ny mpisorona ireo rehetra ireo.
-