-
Ezra 9:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Ary nipetraka ela be teo aho fa nalahelo be. Dia nitsangana aho tamin’ny fotoanan’ny fanatitra varimbazaha amin’ny takariva,+ ary mbola teny amiko ny akanjoko anatiny sy ivelany norovitiko. Dia nandohalika aho ka namelatra ny tanako ho amin’i Jehovah Andriamanitro. 6 Ary hoy aho: “Andriamanitro ô! Menatra sy sadaikatra aho ny hiandrandra any aminao, ry Andriamanitro ô! Fa lasa be dia be ny fahadisoanay ka mihoatra ny lohanay, ary efa manakatra ny lanitra ny helokay.+
-