3Nanao ny Vavahadin’ondry+ i Eliasiba+ mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny, ka nanamasina*+ sy nametaka azy io. Nohamasinin’izy ireo koa ny avy eo amin’ilay vavahady ka hatreo amin’ny Tilikambon’i Mea,+ ary hatrany amin’ny Tilikambon’i Hananela.+
3 Ny taranak’i Hasena indray no nanamboatra ny Vavahadin-trondro.+ Nataon’izy ireo ny tolàna,+ dia napetany ny vavahady sy ny karetsaka ary ny bara hidiny.