Nehemia 2:19 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 19 Ary naheno an’izany i Sanbala Horonita sy Tobia,+ ilay manam-pahefana* amonita,+ ary Gasema Arabo.+ Dia nanesoeso+ sy nanambanimbany anay izy ireo hoe: “Fa inona ity ataonareo? Mikomy amin’ny mpanjaka angaha ianareo?”+ Nehemia 4:3 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 3 Ary hoy i Tobia+ Amonita,+ izay nitsangana teo akaikiny: “Na amboadia iray aza no mianika an’io manda vato aoriny io, dia hirodana io.” Nehemia 6:14 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 14 “Tsarovy izany nataon’i Tobia+ sy Sanbala izany, ry Andriamanitro ô! Tsarovy koa ny nataon’i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany hafa izay nitady hampitahotra ahy foana.” Nehemia 13:7 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 7 Dia tonga teto Jerosalema aho, ka nahita ny zavatra ratsy be nataon’i Eliasiba.+ Nisy efitra fitehirizana entana efa navelany hampiasain’i Tobia+ mantsy teo an-tokotanin’ny tranon’ilay tena Andriamanitra.
19 Ary naheno an’izany i Sanbala Horonita sy Tobia,+ ilay manam-pahefana* amonita,+ ary Gasema Arabo.+ Dia nanesoeso+ sy nanambanimbany anay izy ireo hoe: “Fa inona ity ataonareo? Mikomy amin’ny mpanjaka angaha ianareo?”+
3 Ary hoy i Tobia+ Amonita,+ izay nitsangana teo akaikiny: “Na amboadia iray aza no mianika an’io manda vato aoriny io, dia hirodana io.”
14 “Tsarovy izany nataon’i Tobia+ sy Sanbala izany, ry Andriamanitro ô! Tsarovy koa ny nataon’i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany hafa izay nitady hampitahotra ahy foana.”
7 Dia tonga teto Jerosalema aho, ka nahita ny zavatra ratsy be nataon’i Eliasiba.+ Nisy efitra fitehirizana entana efa navelany hampiasain’i Tobia+ mantsy teo an-tokotanin’ny tranon’ilay tena Andriamanitra.