-
Levitikosy 2:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 “‘Raha fanatitra varimbazaha avy amin’ny voaloham-bokatra no atolotrao ho an’i Jehovah, dia tokony ho voa vaovao* natono izany, ary nototoina nefa tsy natao vovony. Ho fanatitra varimbazaha avy amin’ny voaloham-bokatrao izany.+ 15 Horarahanao menaka ilay izy, ary hasianao ditin-kazo manitra eo amboniny. Fanatitra varimbazaha izany.
-