-
Deoteronomia 23:3, 4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 “Tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah na ny Amonita na ny Moabita.+ Na hatramin’ny taranany fahafolo aza tsy misy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah mihitsy. 4 Tsy nanampy anareo mantsy izy ireo sady tsy nanome sakafo sy rano anareo, tamin’ianareo teny an-dalana avy tany Ejipta.+ Nokaramainy hanozona anareo koa i Balama zanak’i Beora, avy any Petora, any Mezopotamia.+
-
-
Ezra 9:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Raha vao vita izany, dia nanatona ahy ireo andriana ka niteny hoe: “Tsy misaraka amin’ny mponina manodidina ange ny vahoakan’Israely sy ny mpisorona ary ny Levita e! Ry zareo koa tsy mety miala amin’ny fanaony maharikoriko,+ dia ny fanaon’ny Kananita, ny Hetita, ny Perizita, ny Jebosita, ny Amonita, ny Moabita, ny Ejipsianina,+ ary ny Amorita.+ 2 Fa nalain’izy ireo ho vadiny sy ho vadin’ny zanany lahy ny sasany tamin’ny zanakavavin’ireny.+ Dia lasa nifangaroharo tamin’ny mponina manodidina+ ry zareo nefa taranaka masina.+ Ary ny andriana sy ny solontenam-panjakana no voalohany nivadika hoatr’izany.”
-