-
Estera 3:2-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Dia niondrika sy niankohoka teo anatrehan’i Hamana daholo ny mpanompon’ny mpanjaka teo am-bavahady, satria izany no baikon’ny mpanjaka. I Mordekay kosa tsy nety niondrika na niankohoka. 3 Dia hoy ny mpanompon’ny mpanjaka teo am-bavahady tamin’i Mordekay: “Maninona ianao no tsy miraharaha ny baikon’ny mpanjaka?” 4 Nanontany an’izany isan’andro izy ireo, nefa tsy nohenoiny mihitsy. Nilaza tamin’izy ireo koa i Mordekay hoe Jiosy izy.+ Niresaka tamin’i Hamana àry izy ireo, dia nanontany azy raha mbola holeferina ihany na tsia ny fihetsik’i Mordekay.+
5 Ary hitan’i Hamana fa tsy nety niondrika na niankohoka teo anatrehany i Mordekay, ka romotra be izy.+
-