-
Josoa 3:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Tondraka i Jordana tamin’izay. Difotra mantsy ny morony+ rehefa fotoam-pijinjana. Raha vao tonga teo amin’i Jordana ireo mpisorona nilanja an’ilay Vata, ka natsobony teo amin’ny moron’ilay rano ny tongony, 16 dia tsy nihetsika ny rano nidina avy tany ambony. Niavosa toy ny tohodrano* terỳ lavitra be terỳ ilay izy, teny Adama, tanàna akaikin’i Zaretana. Ritra koa ny rano nidina nankany amin’ny Ranomasin’i Araba, dia ny Ranomasin-tsira.* Nijanona tsy nikoriana ny rano, ka niampita nanandrify an’i Jeriko ny vahoaka.
-