-
Ezekiela 1:27, 28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Dia nahita zavatra namirapiratra hoatran’ny metaly manjelatra+ sy hoatran’ny afo aho, avy eo amin’ilay hoatran’ny andilany no ho miakatra. Avy eo amin’ny andilany no ho midina indray, dia zavatra mitovy amin’ny afo+ no tazako. Ary nisy hazavana be nanodidina azy, 28 hoatran’ny hazavan’ny avana+ eny amin’ny rahona rehefa avy ny orana. Sahala amin’izany no fahitana an’ilay hazavana namirapiratra nanodidina azy. Hoatran’ny voninahitr’i Jehovah+ no fahitana an’ilay izy. Rehefa nahita an’izany aho, dia niankohoka, ary nanomboka naheno feon’olona niteny.
-