-
2 Samoela 16:5-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Rehefa tonga tao Bahorima i Davida Mpanjaka, dia nisy lehilahy atao hoe Simey+ nivoaka avy tao. Havan’i Saoly izy io, ary zanak’i Gera. Sady nanatona an’i Davida izy no nivazavaza nanozona azy.+ 6 Notorahany vato i Davida Mpanjaka sy ny mpanompony rehetra, ary ny olona rehetra sy ny lehilahy matanjaka teo ankavanan’ny mpanjaka sy teo ankaviany. 7 Izao no nolazain’i Simey rehefa nanozona azy: “ ’Ndeha mandeha any! ’Ndeha mandeha any, ry lehilahy mpandatsa-dra. Ilay tsisy ilana azy ity!
-
-
Salamo 69:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
Lasa be dia be ireo mitady hamono ahy,
Dia ny fahavalo mpamadika ahy.*
Voatery nanolo zavatra tsy nangalariko aho.
-