-
1 Samoela 1:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Nalahelo be mihitsy i Hana, ka nivavaka tamin’i Jehovah+ sady nigogogogo nitomany. 11 Dia nivoady izy hoe: “Ry Jehovah Tompon’ny tafika ô, raha mba jerenao ny fahorian’ny mpanomponao ka tsaroanao aho, ary tsy hadinoinao ny mpanomponao fa omenao zanakalahy,+ dia homeko an’i Jehovah izy mandritra ny androm-piainany ary tsy hotapahina mihitsy ny volon-dohany!”*+
-
-
2 Samoela 16:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Hoy koa i Davida tamin’i Abisay sy ny mpanompony rehetra: “Ny zanako naterako aza mitady hamono ahy,+ koa mainka fa izay Benjaminita!+ Avelao izy hanozona ahy, satria i Jehovah no niteny taminy mba hanao an’izany. 12 Angamba i Jehovah hahita ny fahoriako.+ Dia hanao soa amiko indray i Jehovah, fa tsy havelany hanan-kery ny ozona natao tamiko androany.”+
-
-
Isaia 38:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Izao no nosoratan’i Hezekia mpanjakan’ny Joda, rehefa narary izy ary sitrana tamin’ny aretiny:
-