7 Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah
Sy miantehitra amin’i Jehovah.+
8 Ho toy ny hazo nambolena eo amoron-drano izy,
Dia hazo mampisandrahaka ny fakany hatrany amin’ny renirano.
Tsy ho tsapany akory ny hafanana,
Fa handrobona foana ny raviny.+
Ary na dia amin’ny taona isian’ny hain-tany aza, dia tsy hanahy izy
Fa mbola hamokatra foana.