-
Deoteronomia 29:19, 20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 “Raha misy anefa maheno an’izay voalazan’ity fianianana ity, nefa mirehareha ao am-pony hoe: ‘Hiadana ihany aho na dia hanaraka ny ditran’ny foko aza!’, hany ka mahita loza daholo izay zava-drehetra* lalovany, 20 dia tsy hanaiky hamela ny helony i Jehovah.+ Ho tezitra be amin’izany olona izany kosa i Jehovah, ka ho tanteraka aminy daholo ny ozona rehetra voasoratra ato amin’ity boky ity.+ Ary hofoanan’i Jehovah eny ambanin’ny lanitra ny anarany.
-