-
Lioka 12:18-20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Dia hoy izy: ‘Izao no hataoko:+ Horavako ireo trano fitehirizam-bokatro, ary hanorina hafa lehibe kokoa aho, ka ao no hitehirizako ny vokatro rehetra sy ny fananako rehetra. 19 Dia hilaza amin’ny tenako aho hoe: “Ianao ange manana zavatra tsara be dia be efa notehirizinao e, sady ampy mandritra ny taona maro ireo! Koa mialà sasatra, mihinàna, misotroa, mifalia.”’ 20 Fa hoy Andriamanitra taminy: ‘Ry tsy misaina, hisy hamono ianao anio alina, koa ho an’iza ireo zavatra nangoninao?’+
-