-
2 Samoela 15:32-34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 Rehefa tonga teny an-tampon’ilay tendrombohitra i Davida, teo amin’ny toerana fiankohofan’ny olona tamin’Andriamanitra, dia efa tonga nitsena azy teo i Hosay+ Arkita.+ Rovidrovitra ny akanjo lava nanaovany, ary nihosim-bovoka ny lohany. 33 Hoy anefa i Davida taminy: “Ho enta-mavesatra ho ahy ianao raha miampita miaraka amiko. 34 Fa miverena ao an-tanàna, dia teneno i Absaloma hoe: ‘Mpanomponao aho, ry Mpanjaka ô! Mpanompon’ny rainao aho taloha, fa mpanomponao+ kosa aho izao.’ Raha izay no ataonao, dia ho afaka hanao izay tsy hanarahana ny torohevitr’i+ Ahitofela ianao, ka hanampy ahy.
-