17 Ary nifaly sy niravoravo ny Jiosy, tany amin’ny faritany sy tanàna rehetra nahazo an’ilay didin’ny mpanjaka sy ny lalàny. Nanao fanasambe sy nanao fety be izy ireo. Be dia be koa ny olona tao amin’ilay tany no nilaza ny tenany hoe Jiosy,+ satria tena natahoran’izy ireo ny Jiosy.