10 Ny alahelo araka ny sitrapon’Andriamanitra mantsy mahatonga ny olona hibebaka sy ho voavonjy, ary tsy anenenana izany.+ Ny alahelon’izao tontolo izao kosa mahatonga fahafatesana.
11 Marina fa hoatran’ny hoe tsy mahafaly eo no ho eo ny famaizana, fa mampahory.* Avy eo anefa dia misy vokany tsara izany famaizana izany, dia fiadanana sy fahamarinana ho an’izay nampiofanina tamin’ny alalan’izany.