-
Mpitoriteny 3:19, 20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Fa manam-piafarana ny olombelona ary manam-piafarana koa ny biby. Mitovy ihany ny hiafaran’izy ireo.+ Fa toy ny ahafatesan’ny biby ihany no ahafatesan’ny olona, ary iray ihany ny hery mamelona azy ireo.*+ Tsy misy maha ambony ny olona amin’ny biby àry, fa tsisy dikany ny zava-drehetra. 20 Samy mankany amin’ny toerana iray izy rehetra.+ Avy tamin’ny vovoka daholo izy rehetra,+ ary hiverina ho vovoka daholo.+
-
-
Mpitoriteny 9:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Mitovy daholo ny hiafaran’ny olon-drehetra,+ dia ny olo-marina sy ny ratsy fanahy,+ ny olona tsara toetra sy ny madio ary ny maloto, ary ny manao sorona sy ny tsy manao. Mitovy ihany ny tsara fanahy sy ny mpanota, ary mitovy koa ny maimay hianiana sy izay mitandrina tsara vao mianiana. 3 Izao no zavatra mahakivy etỳ ambanin’ny masoandro: Koa satria mitovy ihany ny hiafaran’ny olona rehetra,+ dia ny hanao ratsy foana no mibahana ao am-pony. Misy hadalana ao am-pony mandritra ny androm-piainany, dia avy eo izy maty!*
-
-
Mpitoriteny 9:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Izao koa no hitako etỳ ambanin’ny masoandro: Tsy hoe maharesy foana izay mahavita mihazakazaka be, na mandresy foana izay matanjaka,+ na manana sakafo foana izay hendry, na manan-karena foana izay marani-tsaina,+ na tafita foana izay manam-pahalalana.+ Mety ho tratran’ny sampona* mantsy izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.
-