4 Volafotsy sy volamena ny sampin’izy ireo,
Sady asa tanan’olombelona.+
5 Manam-bava ireny sampy ireny, fa tsy miteny;+
Mana-maso, fa tsy mahita;
6 Manan-tsofina, fa tsy maheno;
Manana orona, fa tsy mandre fofona;
7 Manan-tanana, fa tsy mahatsapa;
Manan-tongotra, fa tsy mandeha;+
Ary tsy mahavoaka feo ny tendany.+
8 Ho lasa hoatr’ireny ny olona manao azy,+
Sy izay rehetra matoky azy.+