-
Isaia 44:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Dorany ny antsasak’ilay hazo,
Dia itonoany hena hohaniny, ka voky izy.
Mitanina afo eo koa izy ka miteny hoe:
“Mafana erỳ aho izany mijery an’ity afo ity!”
17 Ny ambiny kosa anamboarany andriamanitra ka ataony sary sokitra.
Iankohofany ilay izy dia ivavahany.
Dia mivavaka aminy izy hoe:
“Vonjeo aho fa ianao no andriamanitro.”+
-
-
Daniela 3:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Rehefa henonareo ny feon’ny anjombona, ny sodina, ny valiha vata, ny harpa telozoro, ny zavamaneno fitendry, ny sodina misy kitapon-drivotra, ary ny zavamaneno hafa isan-karazany, dia tsy maintsy miankohoka sy mivavaka amin’ilay sarivongana volamena natsangan’i Nebokadnezara Mpanjaka ianareo.
-