-
Lioka 4:17-21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Koa natolotra azy ny horonam-bokin’i Isaia mpaminany, ary nosokafany ka notadiaviny izay nisy an’ilay soratra hoe: 18 “Ny fanahin’i Jehovah* no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra izy. Nirahiny aho mba hanambara hoe ho afaka ny babo ary hahiratra ny jamba. Nirahiny koa aho mba hanafaka sy handefa an’ireo ampahorina,+ 19 ary mba hitory ny taona fanehoan’i Jehovah* fankasitrahana.”+ 20 Nahorony ilay horonam-boky avy eo, dia naveriny tamin’ny mpikarakara ary nipetraka izy. Ary nijery tsara azy izay rehetra tao amin’ny synagoga. 21 Dia hoy izy: “Androany no tanteraka ilay andinin-teny vao henonareo teo.”+
-
-
Asan’ny Apostoly 26:17, 18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Ary hamonjy anao amin’ity vahoaka ity sy amin’ny hafa firenena izay anirahako anao aho.+ 18 Hirahiko ianao mba hanokatra ny masony,+ ka hialany amin’ny haizina+ ho ao amin’ny mazava,+ ary hialany amin’ny fahefan’i Satana+ ho eo ambany fahefan’Andriamanitra. Amin’izay izy ireo hahazo famelan-keloka+ ary hahazo lova miaraka amin’ireo nohamasinina noho izy ireo mino ahy.’
-