-
Isaia 20:3, 4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Dia hoy i Jehovah: “Nandeha nitanjaka sy tsy nanao kapa telo taona i Isaia mpanompoko, mba ho famantarana+ sy fambara momba an’izay hanjo an’i Ejipta+ sy Etiopia.+ 4 Dia ho hoatr’izany koa ny Ejipsianina hatao babo+ sy ny Etiopianina hatao sesitany, na ny ankizilahy na ny lehilahy efa antitra. Hitanjaka sy tsy hanao kapa ary hiseho fitombenana izy ireo rehefa entin’ny mpanjakan’i Asyria, ka ho afa-baraka* i Ejipta.
-
-
Jeremia 46:25, 26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 “Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Hosaziko i Amona+ ao No,*+ sy Farao, sy Ejipta, sy ny andriamaniny,+ ary ny mpanjakany, izany hoe i Farao sy izay rehetra matoky azy.’+
26 “‘Ary hatolotro eo an-tanan’izay mitady hamono azy* izy ireo, dia eo an-tanan’i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona+ sy ny mpanompony. Hisy mponina toy ny taloha anefa i Ejipta aorian’izay’, hoy i Jehovah.+
-