-
2 Tantara 12:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Rehefa hitan’i Jehovah fa nanetry tena izy ireo, dia hoy i Jehovah tamin’i Semaia: “Nanetry tena izy ireo ka tsy haringako,+ ary tsy ho ela dia hovonjeko. Dia tsy hanampatra ny hatezerako aminy aho, ka tsy havelako hamely an’i Jerosalema i Sisaka. 8 Ho lasa mpanompon’i Sisaka anefa izy ireo, mba hahafantaran’izy ireo fa tsy mitovy ny manompo ahy sy ny manompo ny mpanjakan’ny* firenen-kafa.”
-