-
Deoteronomia 28:53-55Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
53 Dia hohaninao ny zanaka nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao. Hohaninao tokoa ny nofon’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy,+ satria ho mafy be ilay fahirano sady hataon’ny fahavalonao mijalijaly ianao.
54 “Na ny lehilahy miaingitraingitra sy sarotsarotiny indrindra eo aminao aza tsy hiantra ny rahalahiny sy ny vady malalany ary ny zanany sisa miangana. 55 Tsy hisy hozarainy amin’izy ireo ny nofon-janany izay hohaniny, satria tsy manana na inona na inona intsony izy. Ho mafy be mantsy ilay fahirano sady hataon’ny fahavalonao mijalijaly ny olona ao an-tanànanao.+
-