4 Angamba ho henon’i Jehovah Andriamanitrao daholo ny tenin’ilay Rabsake, ilay nirahin’ny mpanjakan’i Asyria tompony mba hila ady amin’ilay Andriamanitra velona.+ Dia hosazin’i Jehovah Andriamanitrao izy noho izany teniny izany. Koa mba mivavaha+ ho an’izay sisa mbola velona.’”