-
2 Mpanjaka 20:8-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Efa nanontany an’i Isaia i Hezekia talohan’izay hoe: “Inona no famantarana+ fa hositranin’i Jehovah aho, ka hiakatra any an-tranon’i Jehovah rahafakampitso?” 9 Dia hoy i Isaia: “Izao no famantarana avy amin’i Jehovah mba hahalalanao fa hotanterahin’i Jehovah ny teniny: Tianao hiroso zanatohatra* folo ve ny aloka, sa hihemotra zanatohatra folo?”+ 10 Dia hoy i Hezekia: “Mora amin’ny aloka ny mandroso zanatohatra folo noho ny mihemotra zanatohatra folo.” 11 Niantso an’i Jehovah àry i Isaia mpaminany, ka nataony nihemotra zanatohatra folo ny aloka+ izay efa nidina teo amin’ny zanatohatr’i Ahaza.
-