12 Nivoaka ho any amin’ny mpanjakan’i Babylona i Joiakina mpanjakan’ny Joda,+ niaraka tamin’ny reniny, ny mpanompony, ny andrianany, ary ny tandapany.+ Dia nalain’ny mpanjakan’i Babylona ho babo i Joiakina, tamin’ny taona fahavalo nanjakany.+
49 Ary notendren’ny mpanjaka hitantana ny raharaham-panjakana tao amin’ny faritanin’i Babylona i Sadraka sy Mesaka ary Abednego,+ noho ny fangatahan’i Daniela. I Daniela kosa nanompo tao an-dapan’ny mpanjaka.
29 Dia namoaka didy i Belsazara ka nampanaovina akanjo volomparasy i Daniela, ary nasiana rojo volamena ny vozony. Dia nasaina nambara fa izy no ho mpitondra fahatelo eo amin’ny fanjakana.+