-
Jeremia 10:12-16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Izy Ilay nanao ny tany tamin’ny heriny,
Dia Ilay nanao izay hahamafy orina ny tany lonaka tamin’ny fahendreny,+
Sy namelatra ny lanitra tamin’ny fahiratan-tsainy.+
14 Tsy misaina ny olona rehetra sady manaonao foana.
Ho menatra ny mpanefy rehetra fa nanao sary sokitra.+
Fitaka fotsiny mantsy ny sarivongana metaly* nataony,
15 Sandoka* fotsiny ireny sady ihomehezan’ny olona.+
Ho fongana ireny rehefa tonga ny andro hanasaziana azy.
16 Tsy mba toy ireny kosa ilay Anjaran’i Jakoba,
Fa izy Ilay nanao ny zava-drehetra,
Ary ny Israely no tehin’ny lovany.+
Jehovah Tompon’ny tafika no anarany.+
-