-
2 Mpanjaka 25:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Tamin’ny andro fahafolon’ny volana fahafolo tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia, dia tonga hanafika an’i Jerosalema+ i Nebokadnezara+ mpanjakan’i Babylona sy ny tafiny manontolo. Dia nitoby teo akaikin’i Jerosalema izy, ka nanangana manda nanodidina azy.+ 2 Ary natao fahirano ilay tanàna, hatramin’ny taona faha-11 nanjakan’i Zedekia Mpanjaka.
-
-
Ezekiela 4:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 “Ary ianao, ry zanak’olona, makà biriky dia apetraho eo anoloanao ilay izy. Asio sarin’ny tanànan’i Jerosalema eo an-tampony. 2 Dia ataovy fahirano izy io,+ ka manangàna manda+ sy dongon-tany* manodidina azy mba hanaovana fahirano azy.+ Manorena koa toby hanafihana azy, ary asio lohondry vy* manodidina azy.+
-
-
Ezekiela 21:21, 22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Fa mijanona mba hanao sikidy eo amin’ny sampanan-dalana ny mpanjakan’i Babylona, satria eo no misampana ny lalana. Ahontsankontsany ireo zana-tsipìka. Anontaniany ny sampiny,* ary dinihiny ny atin-kena. 22 Dia manondro an’i Jerosalema ilay sikidy eny an-tanany ankavanana, ka hampiasa lohondry vy fandravana izy, hanome baiko ny miaramilany mba handripaka olona, hanao hiakan’ady, hampiasa lohondry vy handrodanana vavahady, ary hanangana dongon-tany sy manda hanaovana fahirano.+
-