-
Isaia 65:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Mamelatra ny tanako tontolo andro amin’ny vahoaka mafy loha aho,+
Dia amin’izay mandeha amin’ny lalan-dratsy,+
Sady manao izay saim-pantany fotsiny.+
-
Zakaria 7:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Tsy nety nihaino mihitsy anefa izy ireo,+ sady mafy loha+ sy nanao be marenina.+ 12 Nataony mafy toy ny vato* ny fony,+ dia tsy nankatoaviny ny lalàna* sy ny teny nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika tamin’ny alalan’ny fanahiny ka nasainy nampitain’ny mpaminaniny fahiny.+ Dia tezitra be i Jehovah Tompon’ny tafika.”+
-
-
-