-
2 Mpanjaka 24:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Nataon’i Nebokadnezara sesitany i Jerosalema manontolo, ny andriana+ rehetra, ny miaramila matanjaka rehetra, ary ny mpanao asa tanana sy ny mpanefy*+ rehetra. Nahatratra 10 000 ny isan’ireo natao sesitany. Tsy nisy navelany afa-tsy ireo mahantra faraidiny teo amin’ny vahoaka.+ 15 Nataony sesitany tany Babylona+ àry i Joiakina.+ Nentiny avy any Jerosalema koa ny renin’ny mpanjaka, ireo vadin’ny mpanjaka, ny tandapany, ary ny olona ambony teo amin’ilay tany, mba hatao sesitany tany Babylona.
-
-
Jeremia 24:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Ary i Jehovah nampiseho ahy aviavy roa harona teo anoloan’ny tempolin’i Jehovah, taorian’ny nanaovan’i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona sesitany an’i Jekonia*+ zanak’i Joiakima+ sady mpanjakan’ny Joda, sy ireo andrianan’ny Joda, sy ny mpanao asa tanana, ary ny mpanefy.* Avy tany Jerosalema izy ireo no nentiny nankany Babylona.+
-
-
Daniela 1:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Tatỳ aoriana, dia natolotr’i Jehovah teo an-tanan’i Nebokadnezara i Joiakima mpanjakan’ny Joda,+ sy ny fitaovana sasany tao an-tranon’ilay* tena Andriamanitra. Dia nentin’i Nebokadnezara tao an-tranon’ny* andriamaniny, tany Sinara,*+ ireny ka nataony tao amin’ny fitehirizan-karenan’ny andriamaniny.+
3 Ary nomen’ny mpanjaka baiko i Aspenaza lehiben’ny tandapany mba hitondra Israelita,* anisan’izany ny avy amin’ny taranaky ny mpanjaka sy ny taranaky ny olona ambony.+
-