-
Eksodosy 29:36, 37Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
36 Hanolotra ombilahy atao fanatitra noho ny ota ianao isan’andro ho fandrakofam-pahotana. Ary diovy ho afaka amin’ny ota ny alitara ka manaova fandrakofam-pahotana ho azy io, ary hosory menaka izy io mba ho masina.+ 37 Hataonao mandritra ny fito andro ny fandrakofam-pahotana ho an’ny alitara, ary hamasino izy io mba ho tena masina.+ Tokony ho masina izay olona mikasika ny alitara.
-
-
Levitikosy 8:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Dia novonoin’i Mosesy ilay omby, ary nakany tamin’ny rantsantanany iray ny ra,+ ka nahosony teo amin’ireo tandroky ny alitara teo amin’ny zorony efatra. Ary nodioviny ho afaka tamin’ny ota ny alitara. Fa ny ambin’ilay ra kosa nararany teo am-pototry ny alitara mba hanamasinany azy. Amin’izay dia azo anaovana sorona ho fandrakofam-pahotana eo amboniny.
-