-
Eksodosy 20:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 “Aza manao sary sokitra ho anao, na manamboatra zavatra mitovy bika amin’izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any anaty rano ambanin’ny tany.+ 5 Aza miankohoka eo anatrehan’ireny, na manaiky ho voatarika hanompo azy,+ fa izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany.+ Koa raha misy raim-pianakaviana mankahala ahy, dia hosaziko noho ny fahadisoany ny zanany sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.
-