Levitikosy 19:15 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 15 “‘Aza manao ny tsy rariny rehefa mitsara. Aza miandany amin’ny mahantra satria hoe mahantra izy, nefa aza iangarana koa ny manankarena.+ Tokony hanao ny rariny ianao rehefa mitsara ny namanao. Levitikosy 25:14 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 14 Aza mifanambaka raha mivarotra na mividy zavatra amin’ny namanareo.+ Deoteronomia 1:16 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 16 “Izao no nampianariko ny mpitsaranareo tamin’izay: ‘Rehefa misy adin’ny rahalahinareo entiny eo aminareo, dia tsarao araka ny rariny+ izay manana ady amin’ny rahalahiny, na amin’ny vahiny miara-monina aminy.+
15 “‘Aza manao ny tsy rariny rehefa mitsara. Aza miandany amin’ny mahantra satria hoe mahantra izy, nefa aza iangarana koa ny manankarena.+ Tokony hanao ny rariny ianao rehefa mitsara ny namanao.
16 “Izao no nampianariko ny mpitsaranareo tamin’izay: ‘Rehefa misy adin’ny rahalahinareo entiny eo aminareo, dia tsarao araka ny rariny+ izay manana ady amin’ny rahalahiny, na amin’ny vahiny miara-monina aminy.+