-
Apokalypsy 10:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Dia nankeny amin’ilay anjely aho ka nasaiko nomeny ahy ilay horonam-boky kely. Ary hoy izy tamiko: “Raiso ity, dia hano ka lanio.+ Hampangidy ny kibonao izy ity, fa ho mamy hoatran’ny tantely kosa ao am-bavanao.” 10 Dia noraisiko teny an-tanan’ilay anjely ilay horonam-boky kely ka nohaniko.+ Dia mamy hoatran’ny tantely ilay izy tao am-bavako,+ fa rehefa laniko kosa, dia lasa nangidy ny kiboko.
-