-
Jeremia 44:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 “Tsy hihaino ny teny nolazainao taminay izahay, na dia nolazainao tamin’ny anaran’i Jehovah aza izany. 17 Izay teny rehetra efa nolazainay ihany no hotanterahinay: Hanao sorona ho an’ny Mpanjakavavin’ny Lanitra* izahay, ary handraraka fanatitra zava-pisotro ho azy,+ hoatran’ny efa nataonay sy nataon’ny razambenay, sy ny mpanjakanay, ary ny andriananay tao amin’ireo tanànan’i Joda sy teny amin’ny lalan’i Jerosalema. Voky hanina sy niadana izahay tamin’izany, ary tsy nisy loza nanjo anay mihitsy.
-