18 Ny olona masin’ilay Andriamanitra Fara Tampony+ anefa no hahazo ny fanjakana.+ Ary homena azy ireo mandrakizay ny fanjakana,+ eny, mandrakizay mandrakizay.’
27 “‘Ary nomena an’ireo olona masin’ilay Andriamanitra Fara Tampony ny fanjakana sy ny fahefana ary ny fahalehibeazan’ny fanjakana eny ambanin’ny lanitra rehetra eny.+ Ny fanjakan’izy ireo dia fanjakana haharitra mandrakizay.+ Ary hanompo sy hankatò azy ireo ny fitondrana rehetra.’