-
Daniela 4:23-26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 “‘Nahita mpiambina ianao, ry mpanjaka ô, dia iraka masina+ iray nidina avy any an-danitra, nilaza hoe: “Kapao io hazo io dia poteho, nefa avelao eo amin’ny tany, eo amin’ny ahitra any an-tsaha, ny fotony sy ny fakany ka gejao amin’ny vy sy varahina. Dia avelao ho lenan’ny andon’ny lanitra ny fotony ka hiaraka amin’ny bibidia, mandra-pahatapitry ny fe-potoana fito.”+ 24 Izao no dikany, ry mpanjaka ô, ary izany no didin’ilay Avo Indrindra tsy maintsy hihatra amin’ny mpanjaka tompoko: 25 Horoahina hiala amin’ny olona ianao, ka hiara-mipetraka amin’ny bibidia. Homena ahitra ianao dia hihinana ahitra hoatran’ny omby, ary ho lenan’ny andon’ny lanitra.+ Ary havela holanina aminao+ ny fe-potoana fito,+ mandra-pahafantatrao fa ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona, ka izay tiany homena fitondrana no omeny an’izany.+
26 “‘Nasaina navela anefa ny fototr’ilay hazo sy ny fakany,+ ka midika izany fa haverina aminao indray ny fanjakanao rehefa fantatrao fa ny lanitra no mitondra.
-