-
Genesisy 32:24-26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Farany, dia i Jakoba irery no teo. Dia avy eo nisy lehilahy nifampitolona taminy, mandra-pahazava ratsin’ny andro.+ 25 Rehefa hitan’ilay lehilahy fa tsy resiny i Jakoba, dia nokasihiny ny foto-peny. Koa nipitsoka ny foto-pen’i Jakoba, tamin’izy nifampitolona taminy.+ 26 Ary hoy ilay lehilahy: “Avelao aho handeha, fa efa mazava ratsy ny andro.” Dia hoy i Jakoba: “Tsy havelako handeha ianao, raha tsy mitso-drano* ahy aloha.”+
-